Daty : 21 Aogositra-29 Aogositra 2011
« Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao…… »
Mpitoriteny 11:6
1-Efa misokatra ny fisoratana anarana. Aoka mba tsy hiandry fotoana farany mba hahamora ny fandaminana rehetra. Mifarana ny 10 Aogositra izany fisoratana anarana izany.
2-Ny fidirana ao amin’ny lasy dia ny Alahady 21 Aogositra 2011 maraina. Ho an’ireo hanao ny fandaminana mialoha dia azon’izy ireo atao ny ho tonga any Toamasina herinandro mialoha manomboka ny 15 Aogositra manao ny fandaminana rehetra toy ny fananganana ny lay, ny fatana, ny installation rehetra, mipetraka amin’io toerana ilasiana io sns, saingy ny Alahady 21 Aogositra vao misokatra ny fidirana amin’ny lasy.
3-Hisy programa manokana ho tanterahina any Foulpointe ny Alakamisy 25 Aogositra 2011. Ka ny saran-dalana mandroso sy miverina dia 12 000 Ariary. Aoka hiomana dieny izao ny rehetra.
4-Aoka koa hiomana amin’ny soirée izay hatao isan-kariva, ny Sport izay handraisan’ny rehetra anjara, ary ny Grand jeux izay mampiavaka ity fihaonana ity.
5-Tena maty antoka ise raha tsy tonga.
6-Misy prospectus (izay aforitra telo manaraka ny lavan’ny taratasy 21/27) ho zaraina ho fampahafantarana an’ise momba ny Camporée koa tongava maka izany any amin’ny foibe FMC.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire