mercredi 30 mai 2012

FOTOAM-BAVAKA LEHIBE HO FITONDRANA AM-BAVAKA SY HO FIARAHA-MIENTANA AMIN’NY VAKY LAY AMBOHIDRAZAKA.


Ry tanora, ry fiangonana ao amin’ny distrika Mandrosoa-Tanjonandriana-Androndra
Fotoana manokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana ny asa fitoriana lehibe izay ho ataontsika ny Sabata faha-16 Jiona 2012 tontolo andro.
Antsoina ary isika rehetra ho tonga any amin’ny kianja maintso Alasora amin’io fotoana io haneho ny firaisam-pontsika amin’ny fiaraha-mivavaka. Hanao fanamiana ara-dalàna avokoa ny tanora rehetra ary hisy fandaminana manokana ho atao koa aza manahy fa tongava e! misy toerana ho anao foana eny!
Hifady hanina isika amin’io andro io, koa aoka efa samy hiomana amin’izany ny tsirairay ka hanokana ny anjara sakafony amin’io sabata io ho fanohanana ny vaky lay. Ho ankalazaintsika miaraka ihany koa ny fetin’ny Ray ary hitondra am-bavaka ny tanindrazana isika.
Hisy ny antsan-kira lehibe izay hiantsoana ireo mpanakanto sy chorale advantista efa diso fantatrao, koa entano, taomy ny hafa ary tongava fa hery lehibe ho fampandrosoana ny asan’ny Tompo ny fahatongavanao.