mercredi 1 août 2012

TORO-MARIKA MOMBA NY VAKY LAY AMBOHIDRAZAKA


Ry tanora malala, efa akaiky tokoa ity ilay fotoana efa nandrasantsika ela, andro sisa no isaina dia efa higadona izany koa indreto ary misy toro-marika vitsivitsy mahakasika izany:


1)      Efa tokony ho faraparanana ny fisoratana anarana sy ny fandoavana ny frais generaux ka ny filohan’ny mpisava lalana sy tanora zokiny isam-piangonana no mandray azy, ary ampandalovina ny komitin’ny fiangonana sy pasitoran’ny distrika izay vao omena ny filohan’ny faritra (atao 3 exemplaires)


2)      Isam-piangonana ny fandaminana isan-karazany toy ny sakafo sy ny fatoriana ary ny fitaterana, marihina fa anaty lay, na tente avokoa isika no hitoetra


3)      Ny alahady 19 aogositra 2012 Maraina no fidirana ao amin’ny lasy


4)      Hisy ny fanofanana manokana ho an’ny aspirant chef guide izay ho atao any amin’ny lasy, koa aoka hiomana ny tsirairay amin’ny fitaovana fandraisana naoty sy ny fitondrana ny boky “Ny dia ho eo amin’I Kristy” na Ny tena hasambarana"


5)      Ny alahady faha 12 Aogositra 2012 dia andeha hidina eny Ambohidrazaka isika hanao fanentanana (fitsidihana tokantrano, fametahana afisy, fizarana trakta) ,asaina ny tanora rehetra (na hanatrika ny lasy na tsia) ho tonga maro amin’izany.