mercredi 7 septembre 2011

LASY FIOFANANA AVO LENTA

Formation ho an'ny Chef Guide rehetra sy ireo aspirant 3ème annee rehetra(présence obligatoire ho an'ny 3em annee)
Daty:du vend 30 sept à 18h au dim 02 Octo 2011 à 16h
Toerana: Tanetybe Analamahintsy
Frais de camp(sakafo) sy ny frais généraux : 10 000Ar
Frais de transport: 1200Ar(bus aller et retour)
Zavatra oentina: packetage complet (asio tapis de sol matevina).
Fanazavana fanampiny: 034 10 290 20/ 034 02 051 51/ 033 02 063 07.

mercredi 27 juillet 2011

CAMPOREE DES EXPLORATEURS

Daty : 21 Aogositra-29 Aogositra 2011

« Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao…… »
 Mpitoriteny 11:6





1-Efa misokatra ny fisoratana anarana. Aoka mba tsy hiandry fotoana farany mba hahamora ny fandaminana rehetra. Mifarana ny 10 Aogositra izany fisoratana anarana izany.

2-Ny fidirana ao amin’ny lasy dia ny Alahady 21 Aogositra 2011 maraina. Ho an’ireo hanao ny fandaminana mialoha dia azon’izy ireo atao ny ho tonga any Toamasina herinandro mialoha manomboka ny 15 Aogositra manao ny fandaminana rehetra toy ny fananganana ny lay, ny fatana, ny installation rehetra, mipetraka amin’io toerana ilasiana io sns, saingy ny Alahady 21 Aogositra vao misokatra ny fidirana amin’ny lasy.

3-Hisy programa manokana ho tanterahina any Foulpointe ny Alakamisy 25 Aogositra 2011. Ka ny saran-dalana mandroso sy miverina dia 12 000 Ariary. Aoka hiomana dieny izao ny rehetra.

4-Aoka koa hiomana amin’ny soirée izay hatao isan-kariva, ny Sport izay handraisan’ny rehetra anjara, ary ny Grand jeux izay mampiavaka ity fihaonana ity.

5-Tena maty antoka ise raha tsy tonga.

6-Misy prospectus (izay aforitra telo manaraka ny lavan’ny taratasy 21/27) ho zaraina ho fampahafantarana an’ise momba ny Camporée koa tongava maka izany any amin’ny foibe FMC.

dimanche 17 juillet 2011

GRANDE ZONE 6 MIASA

 HAUTE PENETRATION SOAVINIMERINA

Misaotra antsika tsirairay avy amin'ny anaran'i Jesosy izahay mpiandraikitra ny asa fitoriana eto anivon'ny tanora GRANDE ZONE 6 noho ny fahavitan'ilay HAUTE PENETRATION SOAVIN'IMERINA teo.
Andriamanitry ny fiadanana anie hanome sy hanonitra izay laninareo tamin'ny fanampiana sy fananganana ny fiangonana SOAVIN'IMERINA.

Ny asa dia mbola tsy tapitra fa mbola mitohy koa manantena anareo rehetra izahay mba hitrotro am'bavaka sy hanampy hatrany.

Ny tatitra momba ny lasy dia ao amin'ny onglet: ACTIVITES
Ny sary kosa dia mbola ho avy.

Ny mpiandraikitra

vendredi 1 juillet 2011

HAUTE PENETRATION SOAVINIMERINA

Teny filamatra: " Mandehana, ka mitsangana ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany" Asan'ny apostoly 5:20

Ny andefasana:Tanora explorateur 13 taona no miakatra, ambassadeur, tanora zokiny rehetra

Daty: alakamisy faha-7 ka hatramin'ny alahady faha 17 jolay 2011

Toerana: Soavinimerina Mahitsy

Fepetra:  -Tanora ao anatin'ny sokajy takiana
              -Nahaloa assurance ara-dalàna
              -Nisoratra anarana ary neken'ny komitin'ny fiangonana
              -Nahaloa ny frais generaux 5000 Ariary (25 000 FMG)