Ry tanora malala, efa akaiky tokoa ity ilay fotoana efa nandrasantsika
ela, andro sisa no isaina dia efa higadona izany koa indreto ary misy
toro-marika vitsivitsy mahakasika izany:
1)
Efa
tokony ho faraparanana ny fisoratana anarana sy ny fandoavana ny frais generaux
ka ny filohan’ny mpisava lalana sy tanora zokiny isam-piangonana no mandray azy,
ary ampandalovina ny komitin’ny fiangonana sy pasitoran’ny distrika izay vao omena
ny filohan’ny faritra (atao 3 exemplaires)
2)
Isam-piangonana
ny fandaminana isan-karazany toy ny sakafo sy ny fatoriana ary ny fitaterana,
marihina fa anaty lay, na tente avokoa isika no hitoetra
3)
Ny
alahady 19 aogositra 2012 Maraina no
fidirana ao amin’ny lasy
4)
Hisy
ny fanofanana manokana ho an’ny aspirant chef guide izay ho atao any amin’ny
lasy, koa aoka hiomana ny tsirairay amin’ny fitaovana fandraisana naoty sy ny
fitondrana ny boky “Ny dia ho eo amin’I
Kristy” na “Ny tena hasambarana"
5)
Ny
alahady faha 12 Aogositra 2012 dia
andeha hidina eny Ambohidrazaka isika hanao fanentanana (fitsidihana tokantrano, fametahana afisy, fizarana
trakta) ,asaina ny tanora rehetra (na hanatrika ny lasy na tsia) ho tonga maro
amin’izany.